Dikan'ny teny : mahay

Hampiditra dikany vaovao
1 (hay) mt.p. (mahaiza): Nianatra ka mahafantatra tsara ny momba azy: Mahay marika ny zanako. ? Mahalala: Mahay zavatra betsaka io Rangahy io. ? Afaka mahavita: Tsy mahay ny ratsy Andriamanitra. ? Mahatanty, mahalefitra: Tsy mahay mihafy ny tanora ? A-faka mifampiraharaha, mifankahazo amy..,: Tsy mahay an'io Ramatoa io aho, ? Afaka hifehy: Mahay ny ankohonany tsara Rabe. - F.-p.: Mahay manavia manauanana: (jar. havanana). / Ahitsio
2 olona: ilazana olona mora mihavana sy mifankahazo amin'ny hafa. l Mahay rano: Ilazana ny olona mahay milomano. / Mahay roa: (mazava ho azy). /Mahay ta-ratas y: ilazana ny mahay mamaky teny sy manoratra. / Mahay vava: manao teny tafahoatra sy tsy mifidy teny havoaka eo am-pifamaliana amin'olona. / Mahay zavamaneno: mahay mitendry na mitsoka zavamaneno. / Mahay zavatra: havanana amin' izay ataony, indrindra fa izay nianarany. / Olo-mahay: olona be fahaizana noho ny fianarana vitany sy ny fikarohana nataony ka mety hahaforon-javatra na hampijoro foto-pampianarana. * Ohab.: Lelan'omby: mankao am-bava, mahay; mankao an'orona, mahay: entimilaza ny olona mahay milaza tsara sy mahay milaza ratsy ny hafa. / Ny mahay rano ihany no maty an-drano: raha misy rano lalina, tsy ny tsy mahay milomano akory no sahy hiroboka, fa ny mahay ihany, ka amin'izany no mety hahafaty ny mahay rano. / Ny tsy mahay sobika mahay fatambary: enti-milaza fa samy mba manan-javatra hainy avy ny olona, ka na tsy mahay zavatra lehibe aza ny sasany, mba mahay zavatra madinidinika kosa. / Raha mahay manana, manan-droa; raha tsy mahay manana, votso-droa: enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. / Sotrobe lava tango: sady mahay atsy no mahay aroa: ilazana ny o1ona mihatsaravelatsihy izay tsy menatra ny hanaratsy rehefa any amin'ny ilany, ary hanao toy izany koa any amin'ny an-daniny. / Tsy nisy nahay hatrany an-kibondreniny fa ny mitan-tsotro aza ianarana: enti-milaza fa tsy misy mahay avy hatrany — na dia ny zavatra tsotra a za — fa tsy maintsy mianatra vao mahay. / Tsy misy mahay mandeha tahaka ny akoho fa raha mandeha an-tsahafa solafaka: aoka hitandrina na dia izay milaza azy ho mahay aza fa raha sendra ny sarotra mety ho voa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel