Dikan'ny teny : mahery

Hampiditra dikany vaovao
1 (hery) mt. s. (mahereza): Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy. Mahereza, anaka • Mazoto, manao betsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza / Mahery mianatra Ibalita. ? Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia. ? Mafy, maffmafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy. 1 Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy. / Amin'ny roa ara mahery izao. - F.-p.: Mahery am-bava: enti-milaza olona mahery miteny sy milaza zavatra, nefa ny zava-bitany kely tsy toy inona. / Mahery an'ady: nahazo fandresena; na tamin' ny ady, na am-basy, na arapitsarana na amin'ny lalao. / Mahery an-trano: ilazana ixeo lehilahy mpamono vady sy ireo be feo raha ao an-tranony fa tsy mahateny kosa raha eny ivelany. / Mahery fo: tsy mba mety kivy fa mitozo hatrany amin'izay atao. / Mahery lanja: mihoatra ny havesarany. / Mahery loha: madi-doha sy be kiry ary sarotra ifampiraharahana sy ifanarahana. / Mahery maso: henjam-pijery fatratra. / Mahery sata: mpanao jadona, mpizakazaka amin'ny tiany sy sitraky ny fony. /Mahery setra: mitrevatreva sy henjankenjan amin'izay atao rehetra. / Mahery vaika: mitovitovy amin'ny mahery setra ihany, saingy mafy fihetsika avy hatrany. / Mahery vintana: ilazana ny olona manoto ray aman-drehy na rahalahy na anabavy, izany hoe maty alohany avokoa ireo havany ireo. /Mahery volo: henjam-bolo. * Ohab.: Ny mahery tsy maody tsy ela velona: tokony hitandrina sy ho malina ny Mat matanjaka sao sendra ny tampoka tsy maha-lehilahy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel