Dikan'ny teny : mahomby

Hampiditra dikany vaovao
1 (homby) mt, p. sady mt, s. (mahombiaza): Maharesy, mandresy: Tsy hahomby ny zokinao akory inao, fa aza minaikanaika aminy. ¶ M.h.: Mahasehaka, mahovoka. • Ambinina, mahavoa tsara, mahazo vokatra tsara, misy vokany tsara: Nahomby ny zokiko tamin'ny fanadinana, / Tsy nahomby ny tetik'ireo nandroba tany Toamasina. • Mandaitra, afaka hanasitrana: Nahomby tokoa ny fanafody nomenao ahy fa vao nisotro eran'ny sotro aho dia nisinda ny aretin'andohako. • (raha misy matoanteny eo aoriany): afaka hanao (asa iray) tsara: Tsy mahomby miasa tany izy. • Tsara, vanona: Misaotra fa nahomby tokoa ny kilalaonareo, rankizy. * F.-p.: Tsy mahomby: tsy tsara, tsy manjary, tsy misy vidiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel