Dikan'ny teny : maimbo

Hampiditra dikany vaovao
1 (imbo) p.t.: Ratsy fofona, mamoaka fofona mankandoa: Maimbo ity atody i-t? izany. • ho.: Afa-baraka: Maimbo amin'ny tany amamonina izy. ¶ M.h.: Afa-boninahitra, afa-pofona, maimbo tsikahonkahona. i t.tf.: Maimboina, amaimbo, voamaimbo / manamaimbo, fanamaimbo, mpanamaimbo 1 anamafmboana, fanamaimboana / mahamaimbo / mafmbomaimbo I hamaimbo, fahamaimbo / haimbo, hamaimboana, fahamaimboana. - F.-p. :Maimbo afo na maimbo setroka: mamofona afo na setroka, / Maimbo andro: mamofona azon'ny hainandro. /Maimbo bona: enti-milaza ny volom-behivavy azon' ny menaka tavonany azy. / Maimbo erona: misy fofonjavatra may. / Maimbo fana: enti-milaza ny fofona re amin'ny vehivavy vao terabao, na fofon'ny vary na hena nialina andro ka nohafanaina ny ampitso maraina. / Maimbo amp?: mamofona fivalanan-drano izay mihandrona maharitra amin'ny tavy na mipetraka amin'ny fitafiana kotsany matetika fa indrindra manetons avy amin'ny toerana anariana rano maloto isan'andro. /Maimbo ladina: enti-milazafofona mahafenofeno re amin'ny ahitra na anana mbola tanora / Maimbo lazo: ilazana ny a• hitra na anana manjary misy fofona fa voadaniky ny hainandro, enti-milaza koa ny fofon'ny mangahazo izay tsy maina tsara eo am-pihahazany. / Maimbo manitra: entimilaza fofona tsy hita hatao tsara na ratsy. / Maimbo ra: tezitra na vinitra mafy hamaly faty (nalaina tamin'ny omby vonoina izay tezitra misafoaka noho ny fandrenesany ny fofon'ny rany efa manorika), / Maimbo raikona: enti-milaza ny fofon' ny taolana na tandroka voadotra; • h.o,: Afa-baraka. 1 Ahitsio
2 reny: ilazana ny ro- Mai nono na ny tantely manomboka ho simba, mavao. / Maimbo tain'akoho: akohokely izay mbola tsy famono, izay aharenesana fofona masiso rehefa masaka na re hefa hafanaina. / Maimbo ta-vo: maimbo menaka, ilazana ny hena aharenesana ny fofomenaka nony masaka./Maimbo tsikahonkahona: voalevilevy izaitsizy, afa-baraka. / Maimbo vava: enti-milaza olona misy fofon'aina maimbo noho ny aretina na ny tsy fahavarana manadio ny aty vava — ny olona mpiteny maloto dia lazaina fa maimbo vava koa. I Maimbo veto-na: maimbo noho ny aretina na noho ny halotoana sy havoretrana. / Maimbo von y: enti-milaza ny vonin-javamaniry izay tsY manitra. ¶ M.h.: Mamofona, mafaraka, mavao, mavingo, malany, many, masiao, mavoroka, mantsina, mangidy, mangeroka, mahavaky trano. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel