Dikan'ny teny : malady

Hampiditra dikany vaovao
1 (lady) p.t.: Mandeha haingana: Malady ianao izany, tsy vao tamin'ny fito ianao no niala teto? ? Mora mandre, mandre na dia izay feo malefaka indrindra aza: Mbola malady io antidahy valopolo taona io fa reny thany na bitsibitsika aza no atao aminy. • Mora mahafana rano, mahamasaka nahandro (vilany): Aza ela ianao fa efa ho masaka ny sakafo, malady manko ny vilaninay. ? F-p.: Malady ofana: mora angolena, maimay tsy m ahan-dry fotoana: Malady ofana toa amalon-kely. / Malady saina: haingan-tsaina, mahazo haingana. / Malady sofina: mora mandre. / Malady tongotra: enti-milaza zaza mbola kely dia efa mandeha. l Malady vava: haingam-pamaly, malaky mamaly; entimilaza koa ny zaza mbola kely dia miteny sahady (mif anohitra:Votsa vava). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel