Dikan'ny teny : mamandrika

Hampiditra dikany vaovao
1 (fandrika) mt.p. (mamandriha): Maka amin' ny alalan'ny fandrika: Mahafinaritra an'i zandry ny mamandri-borona rehefa any ambanivohitra ? h.o.: Manao izay hahavoa amin-kafetsena: Matetika io mpianatra io no mamandrika an-dRamose amin'ny fanontaniana saro-baliana ? Mangorona: Mamandri-bary ny olona amin'ny fararano. ? Mividy mialoha zavatra tsy mbola vita na zavamaniry tsy mbola azo hanina: Efa nisy namandrika daholo ireto foto-kafe ireto. / Mamandrika gazety. / Tonga hamandrika ny dikisionera malagasy - malagasy aho, tompoko. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel