Dikan'ny teny : mamba

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Biby mandady lehibe misy tongony efatra fohy, mivelona any anaty ranomamy ary atahorana izaitsizy noho ny tanjany sy ny hasiahany. ? h.o.: Olona goavambe. ? Olona be tenda, be kibo. - F.-p.: An-tana-mamba: enti-milaza zavatra sendra olona masiaka tsy m am ela hikofoka. / Mamba miandry: ilazana ny loza efa manao an-dry maso, — ilazana koa ny mpiandry ny hafa amin'ny antsojay. / Mamba noana: tsy mifidy hasiana sy hohanina. / Mivoho-mamba: tsy manaiky tsy mandà, na mihenahena amin'ny fanoavana ny didy aman-dalàna. JVato ateli-mamba: enti-milaza zavatra afoy, tsy misy hevitra ny hahazoana azy intsony. * Ohab.: Mamba noana tsy mahamasim-panidy: enti-milaza ny olon-doza tsy azo ivalozana ary tsy azo idiffana. / Raha lasa ny voay, misosoka ny mambo: ilazana olona na zavatra roa mifandimby, izay samy babany avokoa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel