Dikan'ny teny : nify

Hampiditra dikany vaovao
1 ft.: Tsy fahatevenana. - t.i.f : Nifisina, hanifisina / manify / anifisana, fanifisana mahanify 1 mihamanify / mampanify 1 nifinify / hanify, fahanify 1 hanifisana, fahanifisana. Ahitsio
2 a.: Taolana madinika mitsatoka amin'ny valanorano ambony sy ambany, natao hitsakoana ny zavatra hanina. — Misy karazany telo ny nify, izay samy manana ny asany manokana avy: ny andrianify mitetika, ny vangy mandrovitra, ary ny vazana mamotipotika. - Mifo-nify: enti-milaza ny ankizy izay misolo vaovao ny nifiny, eo amin' ny fahafito na fahavalon'ny taonany. / Tsy anify: banga tanteraka. / Nify vao marnaky tan y: enti-milaza ny nifin'ny zaza vao miseho ka mampivonto ny akanjo-nify. / Fotsy nify: mbola tanora. ¶ M.h.: Maitso vo1o. * Fiten,: Maniry nifin'akoho tsy haniry: mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. * Ohab.: Bitsibitsiky ny la-va nify, ny lavitra indray no mandre aloha: enti-milaza izay rehetra toa bitsibitsihina, nefa henon'ny olona lavidavitra ny tena ihany. / Nify hanin'ny olitra: ny afaka ihany no odiny: enti-milaza zava-manahirana izay aleo alana haingana na indray mandeha na taikelikely sa-tria tsy maintsy hoesorina ihany ary mampijaly tsy ankijanona. / Nify sy molotra: izay mihenjana ihany no mitsipika aloha: (mitovitovy amin'ny hoe: lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vasoka). / Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan'ny vazana: enti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan'izay ambony na manampahefana noho ny tena. / Miaramila be nify tsy mandalo katsa-maina: entimilaza fa tsy tokony hiaingitraingitra amin'ny sakafo rehefa eo am-panaovana ny fanompoana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel