Dikan'ny teny : olana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Randrana, fifadidirana: Tsy haiko vahana io olana io fa mifadiditra aoha izany. 1 Fanodinan-javatra miankavia ny ilany, miankavanana ny ilany: Tsy laitra olana ity lamba ity fa henjana.l Fisaritahana, fisafotofotoan-javatra: Misy olana saro-bahana amin'io raharaha io. - t.i.f.: Aolana, tafaolana, voaolana / manolana, fanolana, mpanolana / anolanana, fanolanana / miolana, fiolana, mpiolana / iolanana, fiolanana J mahaolana / mifanolana / olanolana J mifanolanolana. • F.-p.: Azo olan-tanana: tratra eo am-panaovana halo-ka na haratsiana. ¶ M. h.: Tra-tehaka, tratra ambody omby. / Mahazaka telo olana: tady natao randran-telo. ? h. i.: Enti-milaza zavatra mafy. / Olan-teny: teny sarotra ilam-panazavana. J 0-lam-pandriana: ilazana ny hatoka nioritra teo am-patoriana fa voatsindry ka somary miolana maharitra. / Olampototra: ilazana ny vary naketsa ka maniry sady mahavokatra be dia be ny solofony sy ny sakeliny. * Ohab.: Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan' en tana: ohabolana mamaritra ny anjaran'ny zoky sy ny zandry tsirairay avy, fa ny zoky misolo vava eo amin'ny resaka atao ary ny zandry mitondra ny enta-na raha misy dia iarahana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel