Dikan'ny teny : olon-kova

Hampiditra dikany vaovao
1 olon-kovabe: enti-milaza olona tsotsotra, tsy mandà izay omena sy ampanaovina azy. / Olon'olona: mpanompo. / Mifoha olamazoto: fitenenana enti-milaza fotoana eo amin'ny 5 maraina eo ho eo. / Manokom-bary olona: eo antin' ny 11 ora antoandro. / Tapimandry olona: eo amin'ny 8 ora alina. / Mijery na mizaha tauan'olona: miangatra. / Mahay olona: mahay mifandray amin'olon, tsy miavonavona. / Tapak'olona: olona fohy, kely, zeny. ¶ M.h.: Tapak'amponga. * Ohab.: Aieo maty olo-malaina toy izay vaky uilany mianefitra: enti-milaza fa latsa-bidy noho ny vilany ny olona kamo. f A1eo irin'olona toy izay maniry olona: matoa irin'olona ny tena, manana ny tsara sy ny ampy, fa ny maniry na mitsirixitra olona kosa dia mitory fa latsa-danja noho izy ny tena. J Axa tsy tia olona, fa ny oiona no harena: entimanantitra fa tsy misy mahavita tena, ka izay mana-namana maro, izay tiam-bahoa-Iça no manan-karena. ¶ M.h.: Olo-marina, olombanona, fototr'olona, olomboantsongo, tsongoin'olombolo, manam-panahy, voahangy tsy arahin-katina, heni-kaja, tsy voavidim-bola. — Olon-dratsy, androvo, faikan'olon, lamokan'olona, tsaikan'olona, fatritran'olona, farafaikan'olona, karin' olona, abilin'olona, kitoatoan'olona, alikan'olona, olona tsy vanona, amboan'olona, fakon'olona, kolokolon' olona, bandro (badra), amboafatritra, fotsy fanahy, olona lany hasina, olona lany henatra, olona tsy manjary, olona tsy vaky atatra, olona tsy vaky afero, tsy valahara, afa-baraka, afa-boroka, tsy manan-kenatra, olona mamoa fady, mavoin-tena, tsy misangy hajan-tena, mialabara-tena, maniva tena, manary ilo mby an-doha. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel