Dikan'ny teny : orana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rano mirotsaka avy eny amin'ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan'ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana. / Avy ny orana. / Latsaka ny orana. /Mitsahatra ny orana. - t.i.f.: Manorana I morana.? F.-p.: Oram-baratra: orana be fiavy arahin-kotroka. ( 0-ram-batrauatra: orana mahery fiavy. / Oram-be mitraho: orana arnbaran'ny rahomainty mitamba-be fa efa ho latsaka. 1 h.o.: Loza lehibe mananontanona. ( Orankateloana: orana maharitra mandritra ny hateloana, izay fahita indrindra rehefa ririnina. I Oran-kerinandro na oran-kafitoana: na laifito: orana maharitra mandritra ny hafitoana, izay fahita indrindra eo amin'ny volana Fevrie na Marsa. Ahitsio
2 a.: Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. - t.i.f.: Aorana, voaorana / manorana, fanorana I mpanorana 1 anoranana, fanoranana / mahorana. Ahitsio
3 a.: Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana amantongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin'ny nofon'izay ketohiny. - Antsanga tsy aman' orana: teny na fitenenana tsy misy fotony; zavatra betsaka tsy misy antony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel