Dikan'ny teny : paika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Feo re avy amin' ny zavatra mifandona. • Fidona, fanapoahana amin'ny tanana na hazo: Paika kely foana dia ampy hampandeha io masinina io. 1 Tefy (vato): Vato tsara paika. 1 Fandehanana (amin'ny lalao fanorona), fifindran'ny vatom-panorona rehefa mihinana, ka mankeo amin'ny toerana tiany: Anao izao ny paika. ? h. o.: Tetika ampiasaina, tetikady: Paika fotsiny ny azy. - F,-p.: Diso paika: tsy nahay nandeha na nahay tetika ka resy na voa. /Tsontsampaika ka matim-bela: diso famindra ka niharam-pahavoazana. / Paik'afo: fomba faluna afo amin'ny vato roa izay ampifampikasohina dia miteraka afo; tsy vato roa ihany no azo atao toy izany, fa tapa-kazo kely roa koa toy ny tahon-tseva, ohatra, izay ampifandilorina dia midona-tsetroka. / Pai-bato: fipehana ny vato amin'ny tantanana hanamboarana azy araka izay noheverina. / Paidoha: fipehana amin'ny loha — ilazana koa ny biby izay misy fotsy kely eo amin'ny handriny. J Paik'andro: ny andro nifanarahana sy efa nifanekena. / Diso paik'andro: tratra aoriana amin'ny fotoana efa nifanekena. /Maty paik'andro: fandoavana vola noho ny fahadisoam-potoana efa nifanekena. / Paipanorona: famindrana ny vatom-panorona ho eo amin' ny toerana azo antoka. JMaty paika: tsy afa-mihetsika intsony ny vatom-panorona any an-kilany, ka resy. ? h. i.: Vita na voakendry tsara amin'ny tokony ho izy. J Malemy paika: enti-milaza ny olona tsy mba maka mahery fa miteny na mihetsika mors sy milamina. ¶ M.h.: Dona, poka, gona, katroka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel