Dikan'ny teny : paraky

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaniry fifoka sy fihinana ny raviny fa ma-nana hery manaitaitra ny atidoha: Homam-paraky; mihinam-paraky; leom-paraky. - F.-p.: Paraky an'orona: paraky fitroka, izany hoe atao any anaty orona dia trohina. / Paraky be hatoka: paraky lehibe kiran-draviny. / Paraky jolo: paraky mahitsy ary henjana ny tahony. / Paraky kisoka na uoakisoka: vovo-paraky hanina (atao ambany lela). f Paraky kitsoloha: paraky mitsilotsilo ny raviny. 1 Paraky taiko: paraky lava taho. / Paraky uolotsangana: paraky henjankenjana ohatra ny ravim-bolotsangana ny raviny. ) Paraky ooalaro: paraky nasiana laro (lavenona) mba hampaherihery azy. * Ohab.: Paraky nankaleo ahy ka raha tsy fotsy angola tsy avelako: enti-milaza zavatra efa nisahiranana sy nisasarana izaitsizy ka tsy a-vela raha tsy efa tsy misy azo atao aminy intsony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel