Dikan'ny teny : petaka

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Fisaka, tsy mivohitra fa mitovy tantana amin'ny manodidina: Orona petaka. • a.: Fandraiketana zavatra roa na maro mba hikambana tsara: Misy petataratasy eo amin'ny rindrin' ny tranonareo. - t.i.f.: Petahina, petahana, apetaka, voapetaka, pinetaka, tafapetaka / mametaka, fametaka, mpametaka / mipetaka, fipetaka / ametahana, fametahana / ipetahana, fipetahana. • F.-p,: Petaka an-toko na peta-toko: enti-milaza zavatra natao antemaka, tsy dia mafy rafitra fa kongorevo, vita tsizarizary. f Peta-doha: ilazana fantsika izay mitapelaka sy fisaka ny lohany. / Peta-drindrina: (taloha) nilazana ny saridiseza amin'ny trano; (ankehitriny) taratasy apetaka amin'ny rindrina misy filazana ho an'ny be sy ny maro. f Petaka orona: enti-milaza olona izay fisaka mila hitovy tantana amin' ny tarehiny ny haavon'ny orony. f Peta-taikomby: fametahana tainomby amin'ny rindrina. / Peta-taratasy: fametahana temitra na taratasy be velarana amin'ny rindrina. * Ohab.: Tsara tarehy petaka orona ha uoatondro iray no tsy naha-izy azy: zavatra kely matetika dia ampy hanimba zavatra iray izay mety ho tsara amin'ny ankapobeny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel