Dikan'ny teny : pitikilangy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaneno mitovitovy amin'ny Jejilava sy ny Amponga tany; toy izao no fanaovana azy: mandavaka sahabo ho roan-jehy, tokony ho antonona ny totohondry ny vava lavaka, fa lehibe kosa ny ao anatiny dia asiana rakotra tain'omby maina na hodi-kazo maina ny lavaka; misy tsato-kazo tokony ho antsasa-metatra eo anilany, ary amin'ny tahon-kazo iny no misy ny tadiny izay miditra eo afovoan'ny rakotra ka ny tongotra no manindry ilay sarondavaka; pehina amin'ny tsora-kazo kely iny tadiny iny rehefa mihenjana ary mahavita feo avo na iva araka ny fanenjanana ilay tady izay afolaky ny tanana havia. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel