Dikan'ny teny : potraka

Hampiditra dikany vaovao
1 rat.: Lavo: Nisolafaka izy ka potraka. ? h.o.: Ny ketraka mora mivarina / Miroraka tonga kanosa;/Ny po-fraisa nefa tafarina / Ireny ha olona kosa (Ny Av.). ? Nianjera: Potraka auy teny an-daaarangana ilay zaza. ? Miongana, mihem-boninahitra, nesorina amin'ny raharahany: Fatra-panao ny tsy rariny ny anao ka potraka. - t.i.f.: Apotraka, voapotraka, tafapotraka 1 mamotraka, famotraka, mpamotraka 1 manapotraka, fanapotraka, mpanapotraka / amotrahana, famotrahana; anapotrahana, fanapotrahana 1 mifamotraka / mipotraka, fipotraka, mpipotraka 1 ipotrahana, fipotrahana / mahapotraka 1 potrapotraka. • F.-p.: Potraka am-parafara: manana sakaiza ratsy tsy mitovy saranga amin'ny te-na. / Mipotra-tsatroka: miala satroka, mipoa-tsatroka, manaiky. I Mipotra-tsaina na mamotra-tsaina: miaiky fa resy, milavo lefona. * Ohab.: Potraka omen-tehina, solafaka omen-kiraro: enti-milaza izay tsy mahay manararaotra ny fanampiana a-tao azy. ¶ M,h.: Lavo, mianjera, mibolaly, mibolila, mibolisatra, mibolasitra, misolifaka, misolafaka, misobilatra, misolifatra, mitsirara, mitsingoana, miongana, midaboka, miantonta, mitrosina, mitrotrongy, mitsinkasina, mitotongana, mitsingidina, mitsingadina, mitsingatotra, mitsimbadika, mikodia, mikodingy, mikodingidingy, mivalangitrika, midaboboka, midalaboboka, mitalaboboka, midaxoboka, midarofoka, mivadika, mihohoka, miantofoka, mitatavoka, miankarapoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel