Dikan'ny teny : ra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zava-mihanankanana na ranoka menamena mikoriana eran'ny tenan'ny olombelona sy ny biby ka mamelona azy ary mivoaka amin' ny nofo velona raha voadidy, ? F,-p.: Lany ra, kely ra na tsy ampy ra: enti-milaza ny olona izay kely ny ra amin' ny tenany ka osa sy reraka izy, / Mandeha ra na mandara: mivoaka ra. / Tsy mandara: h,o. tsy mangoraka olona, mafy fo. / Mibaba ra: enti-milaza ratra mivoaka ra be dia be. / Maria ra: mana-na toe-dra sarotra ajanona rehefa mandeha. / Misondrodra: miakatra any an-doha ny ra, h.o, tezitra izaitsizy. / Ra velona: ny ra mikoriana amin'ny tena velona. / Ra otrika: ra maloto mivoaka avy ao anatin'ny vay tsy vaky, ohatra. J Vongan-dra: vaingan-dra kely mihandrona. / Avy ra: avy fotoana isam-bolana. / Lalan-dra: fantsona ifamezivezen'ny ra manerana ny tena. / Liandra: mpandatsa-dra olona sady tia ady. / Maimbo ra: ilazana ny fahatezerana mihoapampana sy fitadiavana hamaly faty. / Mihosin-dra: feno ra avy amin'ny ratran' ny tena ihany na avy amin' ny an'ny hafa — entina milaza koa ny olona nahavita heloka tamin'ny famonoana olo-marina. / Mijananaka ny ra: mandeha tsy miato noho ny halehibe na halalin'ny ratra ny ra. / Nofo aman-dra: enti-milaza ny toetran'ny olombelona mora mihontsina na malemy. / Somampy ra: mihamena ny maso sy ny endrika manontolo ahitana taratry ny hatezerana. / Vaky ra: mivoa-dra noho ny ratra amin'ny tena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel