Dikan'ny teny : rafitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fiasanany hazo hanaovana fanaka, trano: Anisan'ny taozavatra ilaina tokoa ny rafitra. ? Fomba iasana ny hazo mba hanaovana azy ho fanaka, trano...: Tsara rafitra ity latabatra ity. 1 Fikambanan'ny zavatra ma-ro ho tenan-javatra iray: Mahatalanjona ny rafitry ny tenan'ny oiombelona. • p. t.: Manomboka: Tamin'izay, rafitra ny ady. ? Raikitra: Rafitra ady Isambilo sy Ibalita. ? Mikatroka... avy hatrany, ombika: Rafitra nifampi tolona izy roa lahy. - t.i.f.: Rafetana, arafitra, voarafitra, tafarafitra / mandrafitra, fandrafitra, mpandrafitra / andrafetana, fandrafetana / mirafitra, firafitra, mpirafitra / irafetana, firafetana / maharafitra ( rafidrafitra. Mifandray hevitra: Fitaovana fanaovana rafitra: Vankona, raboha, dalompy, tsofa, didiravina, homamanta, tantanana, famoalaka, torosy, tan-dm, fandraka (fandradahy, fandrabavy), vahoho, fively, fively fandraka, filamatra, hazomahitsy, famaky, tsimaka, lamisy, rivodahy. —Fomban-drafitra: am-panoa, andahiny, ambaviny, barazedxa, sokitra, torihisatra, koronosy, fehimbarika, filioro, saridiseza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel