Dikan'ny teny : raikitra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Mipetaka: Efa raikitra amin'ny rindrina ny temitra ka sarotra alana. • Vita, tapakarehefa nodinihina sy nifénarahana: Raikitra izany ny varotra ka omeo ny vodiondrim-barotra. ? Tsy miova: Miuory amin'ny andro raikitra. 1 h.o.: Miady: Raikitra tsy satry ohatra ny ombalahy mifanena ankaterena (ohab.). - t.i.f.: Raiketana, araikitra, voaraikitra, tafaraikitra J mandraikitra, fandraikitra, mpandraikitra / andraiketana, fandraiketana / miraikitra, firaikitra, mpiraikitra / iraiketana, firaiketana j maharaikitra / raikidraikitra. - F.-p.: Raiki-molaly: feno na rakotra molaly. 1 h.o.: antitra, efa tranainy be. / Raiki-paka: 1) latsa-paka, miorim-paka; 2) enti-milaza vehivavy maro anaka; 3) enti-milaza aretina tsy azo sitranina, latsa-paka. / Raikipitia: tia fatratra, adalam-pitia amin'ny olona iray, lefaka. J Raiki-tahotra: azon'ny tahotra sy ny horohoro mafy. / Raiki-tampisaka: ilazana ireo olona mahia tsy mahazo aina fa kaozatra eny mandrakariva; enti-milaza koa toetra na aretina tsy a- faka amin'ny olona iray intsony. / Raiki-trosa: ananan' olona trosa be. / Raikitra ady: rafitra mifamely, mifandray. / Raikitra aretina: nahazo aretina na tonga voan'ny aretina noho ny tahotra, hatairana..: / Raihitra hatsiaha: mahatsiaro mangatsiaka mafy. / Raikitra ny uarotra: vita fifanarahana ny varotra. I Fary raiki-bololona: fary mbola miaraka amin'ny tendrony misy ny raviny sy ny vololon-draviny ka entina amin'ny famorana sy ny alavolonjaza ary ifandrombahan'ny vehivavy maniry hiteraka. * Ohab.: Mandalo dia raikitra ohatra ny tsipolitra antitra: enti-milaza ny olona mora tia sy revorevo foana, na amin'ny fitiavana na amin' ny zavatra hafa. / Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihauanana: enti-milaza fa tsy simba akory ny fihavanana na dia tsy mifanaraka aza ny varotra ifanaovana (maneho ny fitandroan'ny ntaolo ny fihavanana manoatra noho ny raharaham-bola; ampif andraiso: "Aleo very tsikalankalam-bola toy izay very tsikalankalam-pihavanana"). Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-houitra: enti-milaza ny ahiahy aorian' ny fanapahan-kevitra iray izay noraisina. ¶ M.h.: Tapaka, tarangana, vita, mandry mitsilany, man-dry ivohon'ny vato, maty paika, vonobaibona, angarangidina, finari-bava. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel