Dikan'ny teny : rano

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra mikoriana izay tsy manana bika ho azy, fa maka ny bikan'ny fitoerana asana azy na ny toerana misy azy ihany, tsy misy lokony na tsirony, ary atao fisotro, fanasana zavatra ary fidiovana. - t.i.f.: Ranoina, miranorano / mandranorano j mitairanorano / maranorano. * F.-p.: Rano an-tandro-potsy: rano nataon'ny mpitahiry sampy fahizay tao anaty tandro-potsy ka namafazany ny olona raha tahiny nisy areti-mifindra namely ny vahoaka. / Rano an-tsahafa: rano arnpiasaina amin'ny velirano tsy hifamadika: atao ao anaty sahafa ny rano dia eo no miozonozona ny olona mianiana. / Rano an-takotra: rano atao ao anaty takobilany ka atoraka eny amin' ny lanitra mba hanohanana ny havandra. j Rano mahery: a) rano misasasasa mafy avy any amin'ny toerana ambony ka manimba izay sendra azy. ¶ M.h.: rano maria, rano mena; • h.o.: hatezerana izaitsizy: Tsy fanao ny mitsena rano mahery. — b) rano ampiasaina amin'ny famorana mba hanasana ny ferin-jaza; rehefa madiva ho maraina ny andro no alefa ny lehilahy matanjaka haka azy. / Rano malahelo: rano nalaina tamin'ny fasan'andriana mba hosotroina ka nampiasaina tamin'ny velirano fianianana fa han oa mpanjaka vaovao. / Rano mauo: fotoana mahamavo ny rano eny an-tsaha (manetsa, mihosy). / Rano mena: hatezerana misafoaka. / Manetra na mitsena rano mena: manohitra ny olona efa tezitra, na efa tezitra ilay olona no tonga eo ianao, / Hay ohatra ny rano: hay tsara aoka izany. / Dabo-drano: enti-milaza ny vary maina eo am-bilia asiana rano ho solon'ny rony. / Mahay rano: teny entina milaza ny olona mahay milomano. / Marin-drano: anambarana fa taira marina. / Manao rano antsangana: enti-milaza fomba filomano izay ahitana ilay olona milomano mitsangana nefa tsy difotra na dia lalina aza ny rano. / Manao rano tsilany: fomba filomano izay ahitana ilay olona mitsilany nefa tsy rendrika. / Mangata-drano: fiteny taloha enti-milaza ny iray amin'ny olona roa mifamaly na miady, ka mangataka fampinomana hitsara ny adin'izy roa tonta. / Maty an-drano: olona latsaka anaty rano ary sempotra ka maty. / Misondrotra ny rano: ilazana fa mitombo ny rano eny amin' ny ony na renirano... / Misotro rano tsy tiana: ilazana ny reny miaritra fihafiana mafy eo am-piterahana ny zanany. / Mita rano: mandeha an-dakana na mirobo-drano mba hiampita. / Mitouy rano: mitovy tantana. / Mitsobo-drano: mita rano ka ny tongotra mihitsy no miroboka. / Mioely rano: manao fifanekena arahim-piananana. / Rano andravina: mihovitrovitry ny tebiteby sy ny tahotra (toy ny rano atao amin'ny ravina mihararetra). / Rano an-kitsak'akoho na rano an-tsofimbasy: rano pitiny kely, enti-milaza koa zavatra kely tsinontsinona. / Rano an-tami-bato: rano mitsika mivoaka amin'ny vatolampy ka raha jerena toa betsaka aoka izany, nefa raha raofina, tsy ahazoana firy. / Rano dikain' ny zinga: fomba tsy manaraka ny ambaratongam-pitondrana raha misy zavatra angatahina, fa avy hatrany dia any amin'ny manampahefana ambony. / Rano fotsiny: izy rehet,ra, avokoa, daholo, hatrany hatrany, manontolo. / Rano havozona: rano mandifotra hatreo an-tenda. / Ra-no iray: (jer. Ranoray). / Ra-no mandeha, rano maria: ny rano ao anaty ony na renirano izay tsy mijanona fa mandeha mikoriana foana. / Rano mandika namana: rano mandeha amin'ny lalan-drano eo ambonin'ny tata-drano. / Rano maty: rano efa nampangotrahina ka efa mangatsiaka. / Rano mihandrona, rano monina: rano tsy misy ivoahany ao amin' ny dobo na kamory. / Ranontambiazina: rano manopy mena toy ny misy vy. / Rano trambo: rano mitombo vetivety noho ny fiavian'ny ranonorana, nefa dia mora mihena ao anatin'ny fotoana fohy koa. / Ranon-tsosoa: ranon'ny vary natao sosoa. ( Rano uaky: rano mivily amin' ny tsy lalany noho ny fefiloha simba. / Rano uao: ny orana voaiohany amin'ny fahavaratra. / Rano uelona: loharano avy any an-kavoana ary miboika ao amin'ny vody tendrombohitra ka mikoriana manondraka ny lohasaha. / Toho-drano: fefin-drano azo vohana sy hidiana araka izay ilana azy. / Tondra-drano: rano vaky ka manafotra ny tany iva sy ireo lemaka. / Tseuo-drano: bontsina kely madinilça toy ny mony amin' ny tena. / Tsodrano: (jer. io teny io). / Zaza rano: zaza mbola bitika latsaka ny roa taona. * Ohab.: Mpivaro-drano tratr'orana ka enjehin'ny varotra ataony: ilazana ny mpanao ratsy ivalian'ny ratsy fanaony. / Ny rnahay rano f hany no maty an-drano: enti-mampitandrina fa izay matoky ny fahaizany ihany no mety hiharam-pahavoazana, fa izay tsy mahay kosa mipetraka amin'ny tsy fahaizany ka tsy maninon-tsy maninona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel