Dikan'ny teny : ranomaso

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsiranorano mivoaka avy ao anaty maso no-ho ny fihetseham-po be loatra, na fanaintainana ara-batana na ara-panahy. - F.-p,: Adalo be ranomaso: anarana ilazan'ny olona ny volana adalo, izay voalaza ho be rivotra sy orana, ka ny vintan'ny zaza teraka amin' io dia vintan'olona malahelohelo lava. / Manao an-dranomaso: miangavy na mangataka miaraka amin'ny fitomaniana. / Manao ranomaso havozona: mitomany fatratra mila tsy hionona. / Marivo ranomaso: mora andairan'ny alahelo ka mora mitomany sy misentosento. / Miati-dranomaso: fomba fanaon'ny foko sy faritany sasany fahiny raha nankany an-dapa mba hitomany ny mpanjaka niamboho, mialoha ny fanafenana ny masina. / Mitrahotraho, mihandrohandro, manganohano ny ranomaso: ilazana ireo izay toy ny hitomany na efa ma-diva hirotsaka ny ranomasony noho ny alahelo na hafaliana vokatry ny fihetsehampo. j ranomaso manentsinkeloka na afefy heloka: enti-milaza ny hafetsen'ny sasany, izay mody mitomany sy malahelo mba hanafenany ny ratsy nataony. / Ranomasom-borono: enti-milaza ilay erika madinika mialoha ny andro fandroana. / Ranomaso-mpandoua: tomany tsy dia araka ny fo marina. / Ranomason-takotra: ny rano ateraky ny hafanana manaraka ny takotra rehefa mahandro sakafo. / Ranomaso teren-tsetroka: tsy tena alahelo fa vokatry ny zavatra ha-fa no itomaniana. / Ranomaso tsy miaraka amam-paty: enti-milaza fa tsy mety raira tsy mifanaraka amin'ny toejavatra miseho izay atao, indrindra izay mikasika ny fahoriana na ny alahelo (raha zavatra mikasika ny hafaliana kosa no resahina dia a-tao hoe "haingo diso an' Iarivo"). ΒΆ M.h,: Tomany, tany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel