Dikan'ny teny : raraka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny ilazana rano na voan-javatra mianjera ka miparitaka, na fofona vaky ka miely, very: Raraka daholo ilay menaka uao nouidina. / Raraka tao amin'ny tany ny fotsimbary, 1 h,o.: Tsy afa-panadinana: Raraka indray Rabe tamin'ny fanadinana farany tao. - t.i.f.: Rarahana, rarafana, voararaka, tafararaka / mandraraka, fandraraka, mpandraraka / andrarahana, fandrarahana 1 miraraka, finira-ka, mpiraraka / irarahana, firarahana / mahararaka 1 raradraraka. - F.-p.: Atao vary raraka: ilazana ny teny misesy mifampitohitohy tsy misy fiatoana (na teny tsara lahatra izany na ompa sy ozona samihafa). / Aza atao raraka an-tan y: teny entina hanamafisana ny anatra sy ny hafatra omena, izay tsy tiana hisy hadino na hanalana, fa hotovina aradalàna avokoa. / Rano raraka tsy azo raofina: enti-milaza ny zavatra afoy tanteraka na tsy azo afody hiverina intsony. ¶ M. h.: Sira latsaka an-drano. / Raraka ivy: enti-milaza ireo izay tsy mahatana ny rora miraraka avy any am-bavany ny molony. / Voahangy raraka: ilazana ireo olona maro miasa eny an-tsaha amim-pifaliana amin'ny fotoana fanetsana ny varialoha. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel