Dikan'ny teny : razana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny ray aman-dreny niaviana fahagola: Tany nitsembohan'ny razana itony ka tsy havelako ho lava volo. ? h.i.: Ny faty: Mandritra ny telo na efatra andro ijanonan'ny razana ao an-tanàna, indrindra amin'ny alina, dia manjaka ny tabataba, ny osika, ny dihy, ny tsikirepoka. - t.i.f.: Faharazana. - F.-p.: Lasan-ko razana: ilazana ireo efa maty nodfmandry. / Ko-drazana: enti-milaza ireo fomba isan-karazany navelan'ny razana tsy maintsy arahin'ny taranaka mandimby — indraindray koa, ny vola na zavatra omena ny mpamadi-drazana. / Manando-drazana: olona misoloky ho avy amin'ny firazanana ambony kokoa noho izay niaviany. / Mitahia fa lasanko razana: teny tenenina ataon'ny olona miresaka ka manonona ny anaran'olona efa maty amin'ny andro alina. J Sao-drazana: ny omby vonoina ka zaraina amin'ny olona amin'ny famadihana — atao koa hoe sao-drazana ny vola omen'ny olona ny mpamadika. I Zana-drazana: ireo taranaky ny olona avadika, na ireo solofony sisa eo amin'ny vohitra nisy ireo razam-be. * Ohab.: Lambo soso-nifY; nentim-paharazana: enti-milaza ny zanaka na taranaka manahaka ireo ray aman-dreniny eo amin'ny toetra na fomba nolovana taminy. /Ra-ha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga: nino fatratra ny fitahian'ny razana ny Ntaolo ka nesoiny ireo noheveriny fa tsy miraharaha.ny hitahy ny taranany velona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel