Dikan'ny teny : resaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny ifanaovana: Araka ny resaka nifanaovantsika omaly, dia iny ny zanako haka ilay vola. 1 Teny ifanaovana momba ny zavatra anankiray voafaritra tsara: Resaka momba ny ady tany Vietnam no nandanian'izy ireo andro tao. 1 Teny ifamalian'ny mpifankatia momba izao sy izao: Saika tsy tapa-ka ny resakay raha tsY nanomboka naneno ny akoho. ¶ M. h.: Tafa, tafasiry, taria, koràna. - t.i.f.: Resahina, voaresaka, tafaresaka 1 miresaka, firesaka, mpiresaka I iresahana, firesahana I maresaka 1 maharesaka. - F.-p.: Ambentin-dresaka: zavatra tenenin-dava saika fsan'an dro. / Resa-be: teny maro ifanaovan'ny olona vitsivitsy ary feno fikasana tsy azo tanterahina. / Resa-behivauy: ilazana ny bitsibitsika ifanaovan'ny vehivavy na ny resaka lava be izay tsy maintsy fifosana no votoatiny. / Resaka mahabe loa-bary: teny famalifaliana na fandokafana amin'ny mpizara sakafo mba hahazoana tombony. / Resaka mandany labozia: resadresa-poana fa tsy araka izay tokony ho izy ka mandany fotoana fotsiny. I Resaka matou y: teny sy resaka manodoka manambara zavatra mahasoa sy mahafinaritra, nefa dia izay ihany fa tsy misy fahatanterahany. / Vaky ny resaka: niseho ny resaka ary ren'ny betsaka, fa tsy iray na roa intsony no mahalala azy, / Mampiady resaka: manao resaka hahitana izay mety sy tokony ha-tao, misarintsarina adihevitra. / Manga ny resaka: tsara ny dinika ary mahafinaritra izay notafaina. / Manokondresaka: miaraka vitsivitsy mitafa eo amin'ny toerana iray mifanatrika. ' * Ohab.: Be resaka ohatra an'Ambôsitra, fa tsy hahalafo an'Ambohinamboarina: enti-milaza fa na mahay miteny sy be resaka aza ianao, . dia tsy ho voambaka akory ny hafa. / Resaky ny mpisampina tsy hain'ny mpisikina: fitenenana ilazana olona roa samy manana ny tafany .sy ny fanaony, ka tsy tokony hifampidinika betsaka. ¶ M.h.: Tafa, dfnika, koràna, taria, karajia, tafasiry, dinidinika, tapatapakahitra, resaka mahabe loa-bary. Miresaka, mamboly resaka, manokon-dresaka, mitafa, mitafasiry, mikoràna, mitaria. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel