Dikan'ny teny : revo

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Latsaka an-kona na anaty fotaka marihitra: Revo tao anaty fotaka ny ombinay. 1 h.o.: Revon'ny fitiavana io zazalahy io ka tsy nahatozo ny fianarany. 1 Variana manao zavatra ka tsy mahatsiaro ny manodidina intsony: Revon-daolao ny ankizy ka tsy mahatsiaro izay sakafo intsony na revo milalao ny ankizy... 1 Sahirana fatratra: Revon'ny trosan'olona izy. - t.i.f.: Revoina, arevo, voarevo 1 mandrevo, fandrevo, mpandrevo I andrevoana, f andrevoana 1 maharevo 1 revorevo. - F.-p.: Raha reuom-potaka, rano no manasa ; raha revonteny, vava no manala; raha revon'alahelo, havana no itarainana: fitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin'ny havana no idodododoana. ΒΆ M.h.: Variana, sondriana, rendrika, renoka, jemby, senoka, rendrehana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel