1 a.: Ranon-kanina, indrindra ranon'anana masaka: Tsy mahalany vary mihitsy izy raha tsy misy rony. - F.-p.: Alain-dro: enti-milaza ny hena tsy ritina na endasina fa andrahoina mba hisy rony. / Misoko ohatra ny ron-gisa: fitenenana enti-milaza zavatra tsy ampoizina nefs misy asany. / Ro be maso: rony misy mena-ka misomidika ary matsiro be (hita mitsinkafona boribory mova tsy ny maso ny menaka). / Ro mafana: ilazana ireo vorona na akoho ataon'ny olona fanomezana ho an'ny olona hajaina sy nahavita soa azy. / Ro mangazafy: ro marihitra matsiro, fomba fahandroana vorona ka atao ketsaketsa rano fa tsy ritina. / Ro masaka: ro tsisy sira (natao fanomezana ho an'ny olona manamanjo taloha). / Ro masiaka: Ro be sira sy masiatsiaka natao mba hampahazoto homana. / Ro matsatso: rony tsy misy sira ary tsy mba misy menaka misomidika. / Ro mazava: ron-kena misy - anana. / Rom-patsa: ilazana ny vola enti-mamangy ny vehivavy tera-bao. / Ron-doha: fieritreretana mafy, fisahiranana, fiahiahiana: Lany rondoha taminao ny ray amandreninao. / Ro sompatra: ro be menaka izaitsizy, izay toa matsiro aoka izany nefa mety handoro ny vava na hankarary kibo. / Tsy rony tsy ventiny: enti-milaza hatezeran'olona iray izay tsy misy antony tokony ho nahatonga azy akory. / Vary misy ro ka haronina: enti-milaza olona manaonao foana, tsy mahalala fomba toy ny ankizy izay mangaron-tanana ny vary misy rony. * Ohab.: Ilay nahandro vato; raha ny rony dia masaka: enti-milaza olona efa nanao sy niezaka hatramin'ny ela, ne-fa tsy nahita vokany tamin' izany. / Mifady ventiny fa misotro ny rony: enti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafaY ka mifady anarany fotsiny. / Misy rony, miaramisotro; misy ventiny miaramihinana: fitenenana mampiseho fiaraha-miisalahy amin'izay misy, na soa izany na ratsy. / Ron'i Mandiauato; ny sisa tsy lany anasantongotra: ohabolana ilazana tsy fahaizan-javatra ka mahatonga ny zavatra hariariana foana, toy ireo olona voalaza eto izaY nanisy rano be loatra ny laoka ka nanjary tsy nisy tsirony ary tsy lany ilay laoka.
Ahitsio