Dikan'ny teny : roa

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Isa manarakaraka ny iray: Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina. ? p, i.: Iray miampy iray: Omby roa. (Fiteny matetika koa ny hoe anankiroa). * t.i.f.: Miros / indroa / indroasina, indroazina, indraosina 1 manindroa, fanindroa, mpanindroa / anindroasana, anindraozana, fanindraozana, fanindroasana, fanindraosana,fanindxoazana / tsiroaroa I roroa, mandroroa, fandroroa 1 m?roroa / mpiroroa. ? F.-p.: Antsy na sabatra roa lela na miroa lela: enti-milaza zavatra manana vokany na mety hisy asany roa mifanohitra. / Avo roa toko: entimilaza zavatra iray tonga te-Io. l Fola-droa: enti-milaza ny fitafiana lamba, izay akarina eo an-tsoroka havanana sy eo an-tsoroka havia ny lamba efa nasampina. / Manao tantanan-droa lela: entimilaza olona mahay mihatsaravelatsihy izay miseho ho mifankahazo amin'olona roa tsy mifanaraka. / Ny ela maharay roa: nj• fotoana maharitra mahatonga fifankazarana na fahazarana tsy arahimpieritreretana (tsy tokony hafangaro amin'ny hoe: "ny ela mahareroy": mampifankazatrâ fatiatra ny ela niarahana ka mahatonga tsy hifanaja fa mifanao "re roy"). / Roa sosona: roa mikambana, na mitambatra. / Roa vo-Io: enti-milaza ny olona efa lehibebe ka fotsy sasaka ny volony. ? h. i.: Enti-milaza zavatra mizara roa: "tsy tiako, hoy Andrianampoinimerina, Imerina raha manao akanga roa volo". / Tsy manan-droa hamolahana: (ray aman-dreny) tsy manan-janaka afa-tsy tokana, izay voatery hotsimbintsimbinina, fa raha nanan-droa manko izy, mety ho niseho ho henjankenjana. / Tsy mitondra roa: ratsy fitondra, tsy mitsitsy fa mamoapoaka. / Voa roa ohatra ny dakam-boriky: fahavoazana indroa miantoana. / Votso-droa: samy tsy misy azo ireo zavatra roa efa noheverina nan_antenaina. * Ohab.: Maty roa ohatra ny vary rahana der. Rahana). / Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina: enti-milaza ny firaisana, fifanampiana, fifanohanana, izay mahasoa. / Vary roa tanty (indroan'ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana: ilazana ny zavatra efa voakendry amin'izay iheverana azy avy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel