Dikan'ny teny : ronono

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsiranorano fotsifotsy amin'ny nonon'olona na ny tohatr'omby ka iveloman'ny zaza sy ny zanak' omby. * t.i.f.: Mandronono. - F.-p.: Hero-dronono: menaka azo avy amin'ny ronono. / Manao ronono an-tavy: enti-milaza ny fanomezantoky handroboana ny sasany; teny mamy manodoka, maharenoka sy mahafaly, saingy tsy azo vitaina sy tanterahina. / Rononomandry: ronono namboarina ary atao am-bifotsy azo tehirizina. / Misotro ronono, apetraka hisotro ronono: ilazana ireo mpiasa (indrindra ny mpiasam-panjakana) nahavita ny fe-potoana ilaina ka tsy miasa intsony, nefamandray vo-la noho ny taona maro niasany. / Ronono uelona: ny ronana noterena tamin'ny omby fa tsy namboarina. / Taidronono mandroatra: entimilaza ireo mora taitaitra ka zavatra tsy toy inona aza dia mampihendratra azy. / Tsitongandronono: aretina mahazo ny sofina izay misy na-na fotsifotsy mivoaka. / Vouo-dronono: ronono namboarina ho vovony. * Ohab.: Tranobongo misy ronono ka sarotra atao malahelo: enti-milaza fa na dia tsotsotra sy mahantrahantra aza ny an'ny tena, dia tiana ihany raha ahitana mamy. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra: enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel