Dikan'ny teny : rova

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsatokazo vaventy marani-doha namefy ny lapan'Andriana taloha. ? Lapa na fonenan'ny mpanjaka: Niditra tao an-droua ny vahoaka nanatitra ny hasin'ny mpanjaka nony tonga ny fandroana. - t.i.f.: Rovana, arova, voarova / mandrova, fandrova, mpandrova / androvana, fandrovana / mirova, firova, mpirova / irovana, firovana / maharova / rovarova. - F.-p.: Ambody roua: toerana nitsarana ny ady izay tsy vita tany amin'ny sakaizambohitra sy ny fokonolona./Anaty roua: ny faritra ao anatin'ny rovan'ny mpanjaka na ny solony tany ivelan'Antananarivo, toy ny komandy, governora, izay nanaovana rova hitoerany. / Miaka-droua: ny ady ifandirana tsy vitan'ny fokonolona sy ny sakaizambohitra no nantsoina tamin'izany, ka mandrakariva raharaha na ady lehibe toy ny mikasika ny fikomiana. / Manani-droua: ilazana ny mpangalatra na ny mpikomy ka miditra ny rova hamono ny mpanjaka — ny diso fitondran-tena naka ny vadin'ny mpanjaka koa dia notondroina ho manani-drova fa tena heloka lehibe izany. / Tsy midi-droua: enti-milaza ireo zavatra na olona norarana tsy hididrova; maro tokoa ireo toy ny zava-maranitra (fiadiana) ny olo-meloka,nyhena ratsy, ny toaka sy ny rongony tamin'ny andron'Andrianampoinimerina... Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel