Dikan'ny teny : safelika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fandehanana any am-badika, fanaovana ankodina fa tsy manatrika. • Famelezana avy any ivoho fa tsy eo anoloana: An-tsafelika no namelezan'ny fahaualo. • Olakolaka, olikolika tsy mivantana: Tsy tsara ny manao safeli-teny fa aleo milaza mivantana. - t.i.f.: Safelehina, asafelika, voasafelika, tafasafelika / manasafelika, fanasafelika, mpanasafelika / anasafelehana, fanasafelehana / misafelika, fisafelika, mpisafelika / isafelehana, fisafelehana / mahasafelika / safelipelika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel