Dikan'ny teny : sakay

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaniry misy voany fihinana fa masiaka dia masiaka. Karazan-tsakay: sakainala: sakay dia fahita any an'ala; sakaibe: karazan-tsakay lehibe; sakay fantsinakoho: karazany sady lava no vaventy ohatra ny fantsinakoholahy; sakay fonakoho: karazany boribory mavomavo vonivony; sakaipilo: ilay karazany fahita hatraiza hatraiza; sakay tsy lanina dimy bah y: sakay lehibe ohatra ny ankibe masiaka dia masiaka. - F.-p.: Sakay hely rano: sakay masiaka noho ny hakelin'ny rano naharo taminy. ? h.o.: Olona sarotra ifanarahana, lozabe. / SakaY sy maso: enti-milaza olona roa mifanohitra toy ny fahavalo. / Mena ohatra ny sakay: entimilaza ny tarehy miboramena noho ny hatezerana, tahotra, henatra. / Mitohy sakay: very hevitra noho ny alahelo na ny nenina ka lasa adala. * Ohab.: Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana: raha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. / Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany: na inona na inona hasarotan-javatra eo amin'ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel