Dikan'ny teny : sakelika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tsirin-javamaniry miseho amin'ny tahony, na solofon-javamaniry eo ampotony toy ny fomban'ny saonjo na ny akondro: Tandremo sao tapaka ny sakeliky ny foto-bonindraozy. ¶ M.h.: Tsiry, tsimoka, taro-ka, — solo fo, zanaka. ? h.i.: Havana akaiky, namana, fanampiny: Sakelik'andriana. - t.i.f.: Sakelehina asakelika, voasakelika / manakelika, fanakelika, mpanakelika / misakelika , fisakelika, mpisakelika / isakelehana, fisakelehana / mahasakelika / sakelikelika. - F.-p.: Iray sakelika: zavatra azo entina indray mitondra ao ambany helika. / Sakelik'andriana: fianakaviana iray akaiky amin'ny Andriamanjaka. / Sakeli-dalana: lalan-kely miala amin'ny arabe Inhibe. l Sakeli-drano: sarnpana na lahin-drano miray amin'ny ony na renirano. / Sakelik 'anana, sakeli-boatavo, sakeli-paraky, sakeli-pary: sampans madinika fa tsY tena ny vatany lehibe amin' ny anana, voatavo, paraky, ary fary. Ahitsio
2 a.: Ny rindrin-kazo amin'ny trano kotona. - F.-p.: Sakeli-mihoa-Joro: enti-milaza izay rehetra mihoatra ny tsy tokony hihoarany (ny zoro amin'ny trano kotona dia ny hazo atao amin'ny zoron-trano efatra, ka raha ny rindrina indray no mihoatra ireo zoro ireo dia hafahafa). Ahitsio
3 a.: Havana, mpanam-PY akaiky. - F.-p.: Sakelik'andriana: havana akaikin'ny andriana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel