Dikan'ny teny : sambotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanenjehana sy fakana olona na biby mande-ha mafy. ? Fandraisana, fitazonana ny olon-dratsy nahavita heloka. • Babo azo amin'ny ady: Nisy hatramin' ny dimampolo ny sambotra azo. ? Findramana vola na zavatra mbola haverina na honerana. - t.i.f.: Samborina, asambotra, voasambotra/ manambotra, fanambotra, mpanambotra 1 anamborana, fanamborana / misambotra, fisambotra, mpisambotra / isamborana, fisamborana / mahasambotra / sambotsambotra. - F.-p.: Sambo-belona: ilazana ireo olona voababo an'ady. / Sambo-miondrika: entimilaza ny olona mpisambobola ka mamerina latsaka noho izay nosamboriny. / Sambo-taho: fisamborana olona vonjy maika hanao raharaha na fanompoana. / Sambo-tanana: famaboana amin'ny herin-tsandry fotsiny.. * Ohab.: Sambo-balala mai-na andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso: enti-milaza fa azo atao amin' ny andro hafa izay manahirana anio, fa manova zavatra ny fotoana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel