Dikan'ny teny : sampana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny rantsana madinika miray amin'ny vataben'ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo. ? Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin'ny foto-be: Amin'ireo rano aisy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa. ? Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin'ny firaisam-be: Ny marika dia sampan'ny fianarana ambaratonga uoalohany. ? Fikambanana kely izay mifandray amin'ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin'ny sampan'ny Fikambanan'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra eto amin'ny faritany. - t.i.f.: Sampanana na sampanina, asampana, voasampana, tafasampana / manampana, fanampana, mpanampana / anampanana, fanampanana / misampana, fisampana, mpisampana / isampanana, fisampanana / mahasampana / sampantsampana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel