Dikan'ny teny : sampona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra na olona manana toetra tsy araka ny hita andavanandro fa hafahafa: Trondro sampona. ? Zavatra sendra miseho na tonga ka misakana tsy hanatanteraka izay efa nokasaina hatao; sakana: Ho tonga aho raha tsy misy sampona. ? p.t.: Voasakana, voatana: Sampona ny diany. / Sampon'ny fahafatesan-dreniny izy ka tsy tonga. - t.i.f.: Samponana, asampona, voasampona / mahasampona / manampontsamPona, fanampontsampona, mpanampontsampona / anampontsamPonana, fanampontsamponana. - F.-p.: Sampon-jauatra: zavatra hafahafa tsy araka izay fahita andavanandro. / Sampon'olona: olona mahatahotra sy ratsy bika ary mahadikidiky. / Mamoa-tsampona: (zavatra na olona) miteraka loza sy fahasahiranana tsy ampoizina noho ny fisehoany. / Manangan-tsampona: miteraka fahasahiranana tampoka, toy ny resaka na tsaho mampihorohoro sy mampitebiteby. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel