Dikan'ny teny : sandry

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Rantsam-batana hatreo amin'ny foto-tsoroka ka hatramin'ny hato-tanana. i t.i.f.: Sandriana. - F.-p.: Herin-tsandry: tanjaky ny sandry; tanjaka; izay azo tamin'ny asa. / Mampiseho herin-tsandry: mampiseho tanjaka entina mirehareha. / Manenjan-tsandry: mihaika, mihantsy olona hiady. / Manipy sandry: manakipilipily sandry mafy rehefa mandeha. / Mitsipy sandry: mitovy amin'ny manipy sandry. / Mitsipy sandry diavolana: miasa, misasatra tsy misy olona afaka hamaly bontana ny tena. / Sandrin-tanana: ny faritry ny sandry hatreo amin'ny kiho ka hatramin'ny hato-tanana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel