Dikan'ny teny : sao

Hampiditra dikany vaovao
1 ppt. feh.: Atao mba hampitohy fehezan-kevitra roa ka ny faharoa: a) milaza zavatra atahorana na ahina: Matahotra aho sao maninomaninona i zoky any lauitra any. / Manahy izy sao nisy mpangalatra tafiditra tao antranony; b) na milaza zavatra kendrena tsy ho tanteraka, mitovy hevitra amin'ny "mba tsy": Nioua akanjo izy sao fantatry ny ao an-tanana. ΒΆ M. h.: Ndrao, fandrao, fandroa, sangoa, ngoa dia. ? Azo ampiasaina tsy hampitohy fehezan-kevitra roa miharihary koa anefa ny "sao", fa manomboka fehezanteny ka mety ho ilay (b) etsy ambony ihany izy amin' izay fa mifamadi-toerana fotsiny: Sao tratran'ny fahaualo eto isika, fa andeha handositra, na koa enti-milaza fampitandremana: Sao heuerinao ho tsy mahalala ny toetranao aho, na faminavinana; Sao mbola mba mahita ihany ny masonao fa tsaboy tsara. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel