Dikan'ny teny : saonjo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavamaniry fihinambody izay mafotrafotra tsara tsiro ("tafondro miandry tsena" no anaram-bosotra omen'ny olona ny saonjo raha eny an-tsena amin'izato bikany boribory lavalava miendrika tafondro tokoa rehefa mitandahatra). Misy karazany roa lehibe ny saonjo, dia: a) ny saonjo mamy, izay kelikely malamalama sy mamimamy, ary b) ny saonjo ramandady, izay mafotrafotra nefa tsara tsiro. * F.-p.:Manao saonjo mihoatra akondro: enti-milaza ireo ambany na zandry mitady hihoatra ny ambony na zok?ny. / Manao fatra-tsaonjo: misesika be amin'ny toerana iray. * Ohab.: Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara: enti-milaza fa amin'ny olona maro iray fifehezana, tsy maintsy misy maningana tsizarizary na tsy vanombanona. ¶ M. h.: Fotsimbary tsy ilaozan'akatatra. Tanàna tsy ilaozan'adala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel