Dikan'ny teny : sara

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Vola aloa amin'ny zavatr'olona ampiasaina mandritra ny fotoana fohy na haingana, na miserana: Saran-dakana. ? Vola nomena taloha ny mpanao fanafody. ? (ankehitriny) Vola aloa amin'ny zavatra ara-tsaina raisina avy amin' olona, ka tsy azo lazaina hoe vidiny: Saram-p ia na ra na. - t.i.f.: Sauna, asara, voasara, sinara 1 manasara na manara, fanasara, mpanasara/ anasarana, fanasarana / mi-sala 1 isarana, fisarana / mahasara. - .F.-p.: Sara-mahazaka: ny hena omena ny tompon'ny tady mahazaka naningorana ny omby vonoina. / Sarambata: zavatra kely nomena ny tompon'ny vata namarana. / Saram-pamaky: hena nomena ny tompon'ny famaky nizarana ny hena. / Saram-panafana, saram-panafody: ny vola na zavatra vidin'ny fanafody nomena ny mpitsabo. / Saran-dakana: ny vola na zavatra omena ny mpampita lakana. / Saran-dalana: ny vola aloa amin'ny mpilanja na ny ni-tondra teny an-dalana. / Saran-tanana: ny vola na zavatra nomena ny olona nanasitrana. / Saran-tokotany: hofan-tokotany. / Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny: entimilaza ny zavatra izay mihoatra noho ny vidiny ny vo-la nikarakarana azy. ΒΆ M.h.: Haba, hofan-toerana, vidin-toerana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel