Dikan'ny teny : sarika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Sintona, roritra. ? Kofehy madinika avy amin' ny vatan'akondro. - t.i.f.: Sarihana, asarika, voasarika / misarika, fisarika, mpisarika / isarihana, fisarihana / mahasarika / saritsarika. - Akondro sarika: karazan'akondro lava fa kely voany, izay fakana indrindra ny tsiratsirany hanaovana lamba. / Lamba sarika: lamba mavomavo tsara natao tarnin'ny sarika na kofehy madinika avy amin'ny vatan' akondro, izay nosarihana, dia notohizina natao lamba. * Ohab.: Lehibe miana-pototsarika, koa sahirana: entimilaza ny olona izay efa lehibe vao mianatra manenona (na manao asa iray) ka mananosarotra aoka izany. / Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy: enti-milaza zavatra izay tsy miankina amin'ny hafa fa amin'ny tena ihany (eto, ny endrik' ilay zazavavy na ny tsy fahaizany mitafy no maha-tsara na maha-ratsy azy; marihina fa toa manala ny rainy sy manadidy ny hafa eto ny ohabolana, ny antony angamba dia satria ny reniny no tokony ho efa nampianatra sy nanazatra an-janany hitafy lamba sarika hatry ny ela). Ahitsio
2 a.: Karazan'akondro fakana tsiratsirany ny vatany, izay nanaovan'ny Ntaolo indrindra lamba fahiny; ny vatan'ny akondro sarika dia la-va, ne fa ny voany madinika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel