Dikan'ny teny : sarotra

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra. / Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin'ity varavarankely ity. * Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome. * Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin'ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany. ? Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra. ? Lafo vidy: Sarotra ny vary izao. ¶ M.h.: Lafo, hangana, hentona. - t.i.f.: Hasarotina 1 manasarotra, fanasarotra, mpanasarotra J anasarotana, fanasarotana 1 mankasarotra J ankasarotina J sarotsarotra 1 hasarotana, fahasarotana 1 hasarotra, fahasarotra J ankasarotana 1 sarotiny. - F.-p,: Maka sarotra; mana-no sarotra: sahirana er?. J Saro-belomina: ilazana ny feon-javamaneno efa nikorontana sy niova feo. / Sarobidy: zava-dafo sy be vidy, lafo tsy ahitana betsaka, ambony vidy. / Saro-diasana: manahirana ny mandimby azy satria nahay ny asany loatra izy ka sao tsy mahatoraka azy izay misolo azy. J Saro-drano: tanimbary avo toerana ka tsy tratran'ny rano raha tsy efa faramparany ; tanana lavi-pantsakana. J Sarojavatra: toerana tsy misy izay ilaina loatra, olona tia tena mihidihidy amin'izay ananany. / Saro-kanina: tanàna na toerana tsy misy sakafo loatra ka saro-tadiavina ny hanina ilaina. / Saro-katsiaka: andairan-katsiaka, toerana mamirifiry. /Saro-kenatra: olona menatra vetivety, mora tsy mahajery olona raha vao misy zavatra mikasika azy. / Saro-kitikitika na sarokibokibo: mora mihomehy na mitsamboatra raha voakasika na voatohina ny ao ambany heliny. J Saro-manta: olona toy ny tsy henina raha mbola manta ny sakafo, nefa tsy mahomby nony masaka./ Saro-miala: entina milaza zavatra mafy orina tsy azo alana, na toe-javatra manahirana misy ny tena. J Saromihafy, saro-miory: efa niadana ka tonga sahirana nony tojo ny tsy fahampiana. / Saro-nara: sarotin-katsiaka. J Saro-noana: mora reraka, tsy mahari-noana. / Saro-pady: zavatra tsy azo kasihina, tsy azo anaovana kitoatoa. J Saro-pandry: mitsipatsipaka sy mitsivalambalam-pandry rehefa matory fa tsy ohatra ny olona rehetra. J Saro-piaro: sarotiny izaitsizy amin'ny zavatra ananany, izay tandremany sy arovany fatratra, tsy zarazarainy amin'ny hafa. J Saro-po: mora tezitra, mora sendaotra. J Saro-posaina: raha tenenina dia iny mitranga. J Saro-tahotra: kanosa sy mora mihorohoro vetivety monja. J Saro-tiana: tsy mahalala ny fitiavana azy fa hamaivaniny izay atao aminy rehetra. J Saro-toerana: olona na zavatra eo amin'ny toerana mitsingilahila mety hahitan-doza sy fahavoazana. J Sarotra an-kanina: (jer. hanina). / Sarotra alina: enti-milaza ireo aretina sasany, izay amin'ny alina vao tena mihamafy, nefa ny antoandro tsy dia maninona loatra. J Sarotra avadika: tsy tsara hasian-dratsy noho ny hatsaram-panahiny na ny valifaty mety hitranga. J Sarotra entina: enti-milaza ireo olona sarotiny amin'ny fikarakarana atao aminy, fa manome tsiny foana izy amin'izay atao aminy. / Sarotra ny taona: lafo ny vidim-piainana amin'io taona io. J Sarotra omena: tsy faly amin'izay atolotra azy, fa mimenomenona hatrany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel