Dikan'ny teny : sarotsarotiny

Hampiditra dikany vaovao
1 kizitina sy sarotra ifampiraharahana. / Sarotim-parasy: tsy mahita tory raha vao misy parasy. / Sarotin'ny miaina: enti-milaza olona sarotra ifampiraharahana, sarotra iaraha-monina. / Sarotin'ny tory: matory feizay. / Sarotin-tsemboka: mora tsemboka. / Saro tin- tse trok a : tsy mahazaka setroka. / Sarotin' alahelo: feno fihetseham-po ka raha vao mahita na mandre fahoriana dia izy no feno avy hatrany. * Ohab.: Sarotin'alahelo ka no tia tsiry fosana: enti-milaza olona sarotin-javatra iray, nefa dia fatra-panao io zavatra io indrindra; "tsy tia ady ka no misahato olona", "sarotin-doiloy, ka no mihinampatsa manta!" ΒΆ M.h.: Sarotsarotiny, kitoina, kitokitoina, ketoketoina, mihalontralona, sarotra iarahana, sarotra entina, be laonina, be angeso, be pitsony, be antsipiriany, zanakalo, mararin-javatra, mitsongo teny maharary, tia vezovezo, tia gedrogedro, saro-tiana toa landy mohaka, malailay fonosana toa fary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel