Dikan'ny teny : tady

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fizahana, fikarohana. * t.i.f.: Tadiavina, voatady / mitady, fitady, mpitady/itadiavana, fitadiavana / mahatady. Ahitsio
2 a.: Kofehy; ireo kiranjavamanirY samihafa azo atao kofehy amatorana: Makà tady hamehezana ny enta-na. ? h.i.: Famolaina: Efa nahitsy tamin'ny tady ity lalana ity. - t.i.f.: Tadina, voatady, tinady/manady, fanady, mpanady / anadiana, fanadiana / manatady, fanatady, mpanatady / anatadiana, fanatadiana / mitady, fitady, mpitady / mahatady. - F.-p.: Tady manaraka: kofehy kely ampiasaina rehefa manenona. / Tadim-bozona: ireo hozabe amin'ny vo-zona. / Tady mita: 1) tady asain'ny mpanao sikidy henjanina avy eo amin'ny zorontrano atsimo andrefana mankamin'ny zorony avaratra atsinanana mba hiarovana amin'ny loza. -2) tady henjanina avy amin'ny môrondrano iray mankamin'ny morony er? am-pita ka arahina rehefa miampita an-domano. / Tady mody: vonantady izay manenda rehefa mihenjana. / Tadim-poitra: hozatra mitarehin-tady, ary mampitohy ny zaza ao an-kibo amin-dreniny eo anelanelan'ny ahitra. / Maty an-tady: maty am-pifatorana, izany hoe am-pigadrana, ary koa enti-milaza ny tsara fototra. / Tora-tady: ilazana ny lalana mahitsy tsy misy melomeloka, ka mifanandrlfy amin'izay iaingana ny er? am-pita. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel