Dikan'ny teny : tafa-

Hampiditra dikany vaovao
1 Tovona fanaovana matoantenin'ny iharana, milaza asa efa vita tanteraka, toy ny voa- ihany koa (tafavory, voavory), saingy izy matetika milaza fa ny tena ihany no manao ny asa. Mizara karazany roa ny mt. ih. misy tovona tata- raha ny heviny no jerena: 1) raha tsy misy mpanao ny asa voalaza, dia milaza asa toa tsy an-tsitrapo sendra lasa tsy nahy ny tafa-: Tafalentika tao anaty hohoko ny tsilo. 2) raha misy mpanao kosa ny asa voalaza, dia manisika ny hevitra hoe "azo (atao)" ny tafa-: Tsy tafauoakanay intsony ilay farafara fa uizana izahay. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel