Dikan'ny teny : tahotra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fahatsiarovana ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray: Tahotra ny alika no tsy hidirako ao amin' io tanĂ na io. - t.i.f.: Matahotra, fatahotra, mpatahotra / atahorana, fatahorana / mampatahotra na mampitahotra / mahatahotra / tahotahotra / hatahorana, fahatahorana. * F.-p.: Afa-tahotra: tsy ma-nana ahiahy intsony. / Raiki-tahotra: feno horohoro. / Saro-tahotra: mora miahiahy sy mangorohoro. / Taho-bozona: Hakanosana tafahoatra na horohoro amin'ny tsinontsinona. / Tsy tahotra tsy henatra: ilazana olona tsy manan-katahorana ary tsy valahara tsy mahalala menatra. * Ohab.: Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany: enti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. hon-tsotro: ny fitazonana ny Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel