Dikan'ny teny : taiza

Hampiditra dikany vaovao
1 p. mt.: Enti-milaza ny lasa amin'ny Aiza ka manontany ny toerana naleha: Taiza no nitsangantsangana ianareo omaly? Ahitsio
2 a.: Zaza ampinonoina, karakaraina sy kolokoloina manokana: Tsy taiza intsony Ibalita fa efa zaza afamiahy tena. ? Ilazana ny zanak'olon-kafa mipetraka ao amin'ny tena ka atao toy ny zanaka: Taizanay tao an-trano Rakoto nandritra ny fito taona. - t.i.f.: Tezaina, ataiza, voataiza, tinaiza / mitaiza, fitaiza, mpitaiza / itaizana, fitaizana / mahataiza. * F.-p.: Taizan'aretina: farofy lava, marary matetika. / Taizan'andriana: ireo olona na zaza zanaky ny mpanompo teraka tao an-dapa ka ny mpanjaka no mikarakara azy. / Taizan'antitra: ilazana ny zaza omen-tsakafo matetika ka tsy misaina afa-tsy ny hanina. / Aza marofy taiza: firarian-tsoa mba hahasalama ny zaza tezaina. / Maroroha taiza: firariana ny zaza hitombo halehibeazana haingana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel