Dikan'ny teny : takona

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Voasakan-javatra ka tsy hita: Takon'ireo hazo ireo ny tranonay. 0 Miafina amin'ny...: Takona ahy ny tarehin y. - t.i.f.: Takonana, atakona, voatakona, tinakona / manakona, fanakona, mpanakona / anakonana, fanakonana / mitakona, fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mahatakona. - F.-p.: An-takona na an-katakonana: tsy anatrehana fa any amin'ny miafinafina any. / Tako-masoandro na tampimasoandro: enti-milaza ny omby vonoina raha misy mpanjaka miamboho. / Tako-maso: tsolotra omena ny vavolombelona na ny mpitsara. / Takon-kenatra: 1) ilazana ny varavaran-tapaka mamefy ny mason'ny olona tsy hahita hatrany amin'ny atin'ny fandrahoan-kanina; 2) tapa-damba anaronana ny faritra mahamenatra amin' ny tena mba tsy hiboridanana. / Tsy takona afenina: miharihary sy hita avy hatrany, toerana avo tazana na dia lavitra aza. ΒΆ M.h,: An-takona, an-katakonana, an-tsokosoko, mangingina, an-konohono, an-kifonofono, an-koboka. Ahitsio
2 ft.: Fiaraha-mibata zava-mavesatra; firaisana hina hanao zava-dehibe sarotra iray; fiarahana mibata na mikarakara faty iray. - t.i.f.: Takonina, atakona, voatakona, tinakona / mitakona,fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mifampitakona / mifanakona / ifanakonana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel