Dikan'ny teny : talaka

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Mihodina, avily, ahodina ho any an-kafa. - t.i.f.: Atolaka, voatolaka, tafatolaka / manolaka, fanolaka, mpanolaka / anolahana, fanolahana / mitolaka, fitolaka, mpitolaka 1 itolahana, fitolahana / mahatolaka / tolatolaka. - Tola-drano: matyteo am-pinomana. J Tolaka amboa an-drano: maty ny amboa nampinomina nisolo ilay voampanga ka dia noheverina ho resy izy. J Tolaka be ravina: antsoantson'ny ankizy mba hampanidina ny voangory izay fatorany amin'ny tady ny tongony. J Tolaka andro: mby efa tsy mahery intsony ny hainandro, efa ivaiva ny masoandro. / Tolaka ila: miraika na mitongilana, mirona fa tsy marin-toerana. J Tola-kitsiny: 1)- fanalan-tsiny ny tena amin'ny fiampangana ny sasany; 2)- resy amin'ny hitsiny fa tsy nety nanaraka ny toro hevitry ny hafa. / Tolak'olona: mosavy nataon' olona. J Tolak'orona: entimilaza ny fahaizan'ombatahy manilika ny tandroky ny ombalahy miady aminy. / Tola-paditra: amin'ny fanalana faditra, ireo zavatra atsipy mianatsimo mba hanalàna ny mosavy samihafa. * Ohab.: Banga kendam-bomanga: tsy ilana tolah'olona intsony fa maty nasesiky ny tanany: enti-milaza ny o10-na voan'ny nataon'ny tenany ihany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel