Dikan'ny teny : tamberina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Entina milaza ny olona mandeha, dia miverina; ny lasa kely dia tonga indray. ? Entina milaza koa ny mihodinkodina eo an-toerana ihany, na ny fivezivezena mandroso dia misangodina eo amin'izay nialana. - t.i.f.: Atamberina, voatamberina, tafatamberina / manatamberina, fanatamberina, mpanatamberina / anatamberenana, fanatamberenana / mitamberina, fitamberina, mpitamberina / itamberenana, fitamberenana / mahatamberina / tamberimberina. - F.-p.: Tamberin-tany: ,fahadison-dalana ka mampiverina indray eo amin'izay efa naleha. / Azon'ny tamberin-tany: miverimberina eo amin'ny toerana efa naleha. / Vaky tamberina: mpandainga vaky lainga amin'izay nataony ihany. / Tamberim-bidy: vola miverina amin'ny mpamokatra avy amin'ny fokontany (Vatoeka) na ny SINPA nividy ny vokany, ambonin'ny vidiny, ka io dia ampahany isan-jato, ohatra, amin'ny tambatry ny vidin' ny vokatra lafony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel