Dikan'ny teny : tapika

Hampiditra dikany vaovao
1 na Tapiny a.: Enti-milaza zavatra vitsivitsy, tsy betsaka, anatin'ny maro: Tapiny ihany no hitanay tamin' ireo tompon-tany, fa raha vao tonga izahay dia Lasa niery daholo ny ankamaroany. • Singantsingany mialoha lalana ary manambara ny maro mbola eo aoriana. - F,-p.: Tapi-balala: valala vitsivitsy miseho mialoha, ka ahalalana ny ho avy avy aoriana. / Tapik'olona na tapikan'olona: olona vitsivitsy monja. / Tsy misy tapik'olona na iray akory aza: tsy misy na dia olona iray akory aza. Ahitsio
2 a.: Kilalao ifanaovan' ny ankizy manao izay hianjeran'ny zavatra eny an-tanan'ny namany amin'ny fipehana azy, ka raha latsaka dia lasany na isasahana aminy: Miombona tapika. - t.i.f.: Tapihina, voatapi• ka 1 manatapika, fanatapika, mpanatapika 1 anatapihana, fanatapihana 1 mahatapika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel